RY TANIKO
Nampidirin'i tsambaratelo | 30 Jio, 2009
Ity misy tononkalo iray,vetso-po izy ity.Mba ho mariky ny Tanindrazantsika.
RY TANIKO
Ry Taniko,izay mamiko
Lalaiko tsy foiko satria,
Tao no nipoirako.
Misaotra Anao aho,nanome ny fireneko
Misaotra Anao aho,nanome teny ifandraisako,
raha tsy teo Ianao
dia tsy ary akory aho
Raha tsy teo Ianao
Tsy ary koa ny Taniko,
Raha tsy teo Ianao
Tsy nisy koa ny teniko
Fa soa, soa fa nisy Anao
Soa,fa eo Ianao
Nanao izao rehetra izao
Ry teniko lalaiko,
Tsara voatra, tsara ranty
Tsy misy mamiko mihoatra anao aty
Ry Taniko tsy foiko
Marary ny aiko,
maratra ny foko,
Mitomany ny mas
manjombona ny andro
raha misy manjo anao
Ianao ilay Fireneko
Balika(28-05-09)
Tsara be. Tena tsara, ary iombonako aminao ilay vetsovetsom-po. Misaotra.
Nampidirin'i Tokinao 03 Jol 2009, 18:33tohizo, tohizo foana ary tsy kivy fa masina ny tanindrazana !
Nampidirin'i DadaRabe 12 Jol 2009, 15:20DdRb
euuhh
Nampidirin'i tsambaratelo 14 Jol 2009, 13:28misaotra ry ireto a.tsisy madinika anie aty amiko raha tsy izany dia nomeko nareo e.