MOMBAMOMBA AN'I TSAMBARATELO

Nampidirin'i tsambaratelo | 16 Jol, 2009

 

        Tovovavy teraka tany @ faritra atsinanana aho,t@ taona 1983,dia nipetraka eto        andrenivohitra aho ankehitriny.

Maro mpiray tampo izahay fa izaho irery no vehivavy ao aminay.Mbola mpianatra eny @ anjery manontolo aho,ao @ sampana DEGS.Ny marina kokoa dia ao @ AEDM.Fa efa hamarana aho izao.

NY ANARAKO

Tsiambaratelo no nataoko anarako,saigy lava be loatra dia tsy tafiditra.Dia nataoko hoe tsambaratelo io.fa dia samy manao ny anarany hanaitra ny olona no nosafidiako azy io.

Iray ihany i tsambaratelo sy Ai-baliaka,izay hanoratra ny tononkalo eto.;sao ianao gaga.

 

 

NY SAKAFO

      Raha izaho aloha, tsy dia mifidy sakafo.Fa ankafiziko daolo.ny tena tiako an:-trondro (besisika endasina asiana sakamalaho ireny na koa hoe: poisson frite)  -totokena sy anandrano atao rony.Tsy hoe ireo foana no laoka rehefa ao antrano a.Fa mahay karazany hafa koa aho.

 

 

NY FIALAMBOLY

      Mijanona ao an-trano: inona ary no ataoko ao?    mianatra lesona,  mihaino mozika,  mamaky boky, miresadresaka, tia mandia,tia mihomehy(izany koa no maha betsaka ny tantara mampihome ato @ blaogiko) , mandeha miantsena koa tsy adino a.

 

 

 NY FIHETSIKA

Ny olona mahita ahy dia milaza fa jejo aho,kanefa tsy dia hitako loatra izany. Eny e!aiza moa hisy vehivavy tsy ho jejo @ izao vanimpotoana izao?

      Vehivavy tsotra, tsy dia be teny loatra.Izany angaha no nahatonga ahy eto @ blaogy?eto aho no maresaka,satria tsy misy olona mahita ahy eto.Fa dia izaho syny klavi irery.

      Tsy dia nahazo halavana loatra, tsy hoe fohy kely koa anefa a.

      Lava volo,fotsy fihodirana,peta-korona,baribary mas

 

FIFANDRAISANA

Raha te hifandray amiko ary ianao dia manoratà eto

                                aibaliaka@yahoo.fr

 

 

  Izay ary ny momba an'i tsambaratelo.Mino aho fa afa-po ianareo nahalala ahy.Fanahiniako mihintsy raha izao aho vao miresaka izany mba hahalalanareo ahy bebe kokoa.

 

FALY AHO MANDRAY TANANA ANAO IZAY MAMAKY NY BLAOGIKO

 


12 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MOMBAMOMBA AN'I TSAMBARATELO"

  1. Faly mahafantara an' i Tsiambaratelo na ai-balika ny tenako.Izaho ve mbola ho fantatrao aho kah.

    Nampidirin'i Maeva74 16 Jol 2009, 13:07
  2. Misaotra nizara ny momba anao. Hiezaka ny hanaraka ny blaogin'i Tsambaratelo aho izany izao !

    Nampidirin'i Kdaombaramita 16 Jol 2009, 13:14
  3. Faly mahalala koa e,dia hamaky ny tsiambarantelonao sy ny ho soratanao eto zany zahay !

    Nampidirin'i fahamarinana 16 Jol 2009, 13:26
  4. Tonga soa e! Dia aleo ny tsara no ifampizarana.

    Nampidirin'i fidinirina 16 Jol 2009, 13:46
  5. Faly mahafantatra an' i Tsiambaratelo koa i LhlTsR.
    Arahabaina tonga soa eto amin'ny fianakaviam-ben'ny mpiserasera e.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 16 Jol 2009, 15:43
  6. Ie, dia maka sary an-tsaina izany izahay é!
    Faly mahafantatra an'i tsambaratelo.

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Jol 2009, 17:00
  7. Tonga soa Tsambaratelo, arosoy akia ny tononkalo sy ny zava-mahasoa.

    Nampidirin'i mangamaso 16 Jol 2009, 19:30
  8. dia rahoviana ah zany no hivahiny hikaly any aminareo? :)
    matsiro be tsin haha

    tonga soa eee

    Nampidirin'i simp 16 Jol 2009, 23:55
  9. Faly mahafantatra an'i tsambaratelo. Misy tsiambaratelo koa fa sao dia mifangaro :-)

    Raha nasian'i tsambaratelo sary izao tonga dia voafehy ny fehezanteny maromaro :-)

    tonga soa e

    Nampidirin'i Hery 17 Jol 2009, 11:16
  10. misaotra sy mankasitrka ee!
    dia hiaraka fiara isika zany zao?

    lazao aho ra mis tsy mety a!
    zay.

    Nampidirin'i tsambaratelo 17 Jol 2009, 12:29
  11. milay ny fanolorantena sy ny hevitra hatosaka fa ny indro kely mba lazaiko, hanatsarana zavatra dia mba aleo atao mainty ilay soratra fa "psychologiquement" manosika ny olonah hiemotra io manga io satria mifanakaiky amin'ny fotsy dia sarotra vakina.

    tsara fa toizo e!

    :-)

    Nampidirin'i zanzibar 22 Jol 2009, 15:58
  12. misaotra @ fanatsarana e.

    Nampidirin'i tsambaratelo 23 Jol 2009, 13:00