Ô RY ALINA Tononkalo

Nampidirin'i tsambaratelo | 23 Okt, 2009

 

 Ô RY ALINA

Ô ry alina mangina

mitondra fisainana

Ho an'ny olo-manan-tsaina

Inona no vita omaly ?

nolalovana ny anio

Hanao ahoana ny ampitso?

Ô ry alina

Ô ry alina mampieritreritra

mampitaintaina ny ho avy

Ô ry alina...

Soa fa mandalo ty ianao

ka tsy handry izay hahamaraina

Toa mandrisika ahy hiezaka

ary hisondrotra hatrany

Fa tsy hitoe-poana

mbola hibanjina ny efa lasa.

                                                         Tsambaratelo ny 23-10-2009

 

 

 

 


2 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ô RY ALINA Tononkalo"

  1. Mahafinaritra ny tonokalonao

    Nampidirin'i maeva74 25 Okt 2009, 08:44
  2. Eka !Mibanjina ny Ho avy ,tsy adinoina nefa ny lasa ,dia iainanan tanteraka ny anio !Mora soratana nefa sarotra tanterahana ! :-).Amiko monja nefa izay an !

    Nampidirin'i fahamarinana 31 Okt 2009, 21:42