VAVAKA
Nampidirin'i tsambaratelo | 2 Des, 2009FANGATAHANA FANETRETENA

Jesoa Malemy Fanahy sy manetry tena ao am-po:
AFAHO KA FONGORY ATO AMIKO:
Ny saina mitsikera sy mitsara
Ny faniriana ho hajaina
Ny faniriana ho hasohasoina sy hoderaina
Ny faniriana hahazo tombo-pitia
Ny faniriana hamiratra sy higagana
Ny faniriana hanjakazaka.
RY JESOA TOMPO, AOKA HIANA IRERY NO HO TOMPON'NY FOKO SY NY FIAINAKO;
HITOMBO ISAN' ANDRO ATO AMIKO ANIE IANAO ARY IZAHO
Amena
Tompo ô! Na efa fantatro izao aza fa fahotana dia niniako natao ihany satria tsy lafatra aho. Tompo ô! mamela ny fahotako. ALLELUIA
Nampidirin'i maeva74 18 Nov 2009, 18:59Jesoa malemy fanahyy sy manetry tena ao am-po, Ataovy manahaka ny fonao ny fonay.
Nampidirin'i dadasy 18 Nov 2009, 20:01Asoasoina fa tsy hasohasoina
Asoasoina -> soa (asoavina, tsara)
Nampidirin'i sitlo 19 Nov 2009, 01:54Hasohasoina -> haso (aratsiana, tebahana)
misaotra @ fanitsiana ô.
Nampidirin'i tsambar3 19 Nov 2009, 17:09'ianao ' fa tsy 'hianao' ;)
Nampidirin'i Kdaombaramita 02 Des 2009, 20:42------> mamela heloka isan'andro Izy