Tovovavy teraka tany @ faritra atsinanana aho,t@ taona 1983,dia nipetraka eto andrenivohitra aho ankehitriny.
Maro
mpiray tampo izahay fa izaho irery no vehivavy ao aminay.Mbola
mpianatra eny @ anjery manontolo aho,ao @ sampana DEGS.Ny marina kokoa
dia ao @ AEDM.Fa efa hamarana aho izao.
NY SAKAFO
Raha
izaho aloha, tsy dia mifidy sakafo.Fa ankafiziko daolo.ny tena tiako
an:-trondro (besisika endasina asiana sakamalaho ireny na koa hoe:
poisson frite) -totokena sy anandrano atao rony.Tsy hoe ireo foana no
laoka rehefa ao antrano a.Fa mahay karazany hafa koa aho.
NY FIALAMBOLY
Mijanona
ao an-trano: inona ary no ataoko ao? mihaino
mozika, mamaky boky, miresadresaka, tia mandia,tia mihomehy(izany koa
no maha betsaka ny tantara mampihome ato @ blaogiko) , mandeha
miantsena koa tsy adino a.
Ny zavatra horesahako eto dia ny tononkalo,ny hira,...zany hoe hiala @ mahazatra izay hita eto.
NY FIHETSIKA
Ny
olona mahita ahy dia milaza fa jejo aho,kanefa tsy dia hitako loatra
izany. Eny e!aiza moa hisy vehivavy tsy ho jejo @ izao vanimpotoana
izao?
Vehivavy tsotra, tsy dia be teny loatra.Izany
angaha no nahatonga ahy eto @ blaogy?eto aho no maresaka,satria tsy
misy olona mahita ahy eto.Fa dia izaho sy ny klavie irery.
Tsy dia nahazo halavana loatra, tsy hoe fohy kely koa anefa a.
Lava volo,fotsy fihodirana,peta-korona,baribary maso...
Izay ary ny momba an'i tsambaratelo.Mino aho fa afa-po ianareo nahalala ahy.Fanahiniako mihintsy raha izao aho vao miresaka izany mba hahalalanareo ahy bebe kokoa.
FALY AHO MANDRAY TANANA ANAO IZAY MAMAKY NY BLAOGIKO