Etsy kely anie!

Nampidirin'i tsambaratelo | 12 Jan, 2010

  

 

Hafatra mba tiako hozaraina aminareo namana eto ,amin'izao taona vaovao izao.Mba hiezaka hiova famindra isika, ary te hanatsara ny fiainanantsika tsirairay.Handramo kely anie izy ity e,dia ho hitanao ny vokany.Anisany nampihatra azy aho mantsy. 

 

"Que le Sacré-coeur de Jésus soit loué, adoré, glorifié à travers le monde pour des siècle et des siècles,Amen."

Dites cette prière 6 fois/ jour pendant 9 jours et vos prières serontexaucées même si cela semble impossible.

N'oubliez pas de remercier le sacré-Coeur avec promesse de publication quand la faveur sera obtenue.

Remerciements au SACRE-COEUR pour la faveur obtennue.

 

TAOM-BAOVAO 2010

Nampidirin'i tsambaratelo | 30 Des, 2009

Aiza ianareo no hitsena ny taona 2010? Izahay aty an-toerana antsoina hoe Au Lit en d'or. Samy mahita an'io toerana io daholo isika .Mora hita kely!!!

    Mirary taom-baovao tsy hieren-doza, ary manaova taom-baovao Finaritra daholo ô. 

 Raha sitrapon'Andriamanitra , Dia samy ho tratry ny Taona 2010, isika rehetra.

Andriamanitra anie hitahy, hanome fahasalamana sy fahombiazana amin'ny asa sy ny fianarana, hanampy sy

 hialoha làlana antsika amin'izay rehetra ataotsika mandritra ny taona rehetra.Andriamanitra hanatanteraka

izay irin'ny fotsika tsirairay avy.Koa miambena amin'ny fivavahana mandrakariva fa akaiky ny andro farany.

   Hoy Tsambaratelo

 

TRATRY NY KRISMASY 2009

Nampidirin'i tsambaratelo | 26 Des, 2009

 

 

 

 

 

 Arabaina isika nahatratra ny andro noely.Ny fahatongavan'ny Mpamonjy tokoa dia mbola Fifaliana ho antsika rehetra.

Ny Fahazavan'i Jesoa anie hitarika antsika tsirairay ho amin'ny làlana tsara mandrakariva ho anao sy ny ankohonanao.

 

VAVAKA

Nampidirin'i tsambaratelo | 2 Des, 2009

FANGATAHANA FANETRETENA 

Jesoa Malemy Fanahy sy manetry tena ao am-po:

AFAHO KA FONGORY ATO AMIKO:

Ny saina mitsikera sy mitsara

Ny faniriana ho hajaina

Ny faniriana ho hasohasoina sy hoderaina

Ny faniriana hahazo tombo-pitia

Ny faniriana hamiratra sy higagana

Ny faniriana hanjakazaka.

 RY    JESOA      TOMPO,    AOKA    HIANA    IRERY    NO   HO    TOMPON'NY      FOKO     SY          NY FIAINAKO;

HITOMBO      ISAN'   ANDRO     ATO     AMIKO      ANIE      IANAO      ARY     IZAHO  

Amena

HAFATRA HO ANAO RY TANIKO

Nampidirin'i tsambaratelo | 27 Nov, 2009

 

 

Ity mba resaka tiako hosoratana aminareo izay mamaky ny lahatsoratro anio.Marihina fa taratasy azoko izy ity,koa tsy mety raha tsy mizara izay voalaza ny tenako.Tsy voatery hino anefa ianao fa ny mahagaga ahy fotsiny dia mbola misy ve ny mpaminany ankehitriny ?

 

 

Hosoratako etoana mihintsy izay voalaza ato.Izao àry :

 

 

HAFATRA HOA AN’NY MALAGASY

 

(Teny nampitondrain’i Jesoa mivantanat@ alalan’ny mpanompony)

 

 

1-Asaina mibebaka ny Malagasy(miala @ ratsy fanaony IITan :7-14)

 

*ny mpanompo sampy miala @ fanompoantsampy

 

*ny mpijangajanga miala @ fijangajangana

 

*ny mpisotro toaka miala @ fisotroan-toaka

 

*ny mpandainga miala @ lainga fanaony

 

*ny mpiloka miala @ filokana

 

*ny mpijejojejo tokony miala @ fijejojejoana

 

*ny tia ady tonga tia FIHAVANANA sytia FANDEFERANA ary afaka mifamela heloka sy afaka mitia ny fahavalony ary mivavaka ho an’izay manisy ratsy azy

 

*ny mpirehareha tonga manana fanetre-tena

 

*ny tia tena tonga tia ny namany tahaka ny tenany

 

*ny tsy matahotra an’Andriamanitra tonga matahotra AZY@ teny sy ny asa

 

*Ny matoky olona miala @ izany ka tonga matoky an’JESOA;

 

 

2- ASAINA MIVAVAKA HO AN'NY firenena ny MPINO

 

 

3- Maika Jesoa ny hanavao ny firenena Malagasy ary maika koa I Jesoa ny hanangana olona TENA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA hitondra ny firenena.

 

 

Alohan’izany anefa dia:

 

-Hotanteraka ny loza sy ny fandringanana ho entin’ireo firenen-kafa ho an’izay tsy mibebaka ary hisy sisa izay hovonjena @ Malagasy dia izay tena mibebaka,Jesoa ihany no mahafantatra izany araka ny lazain’ny tenin’Andriamanitra.

 

-Hisy miaramila avy any ivelany hitondra loza sy fandringanana ho an’ireo Malagasy izay stsy mibebaka ary izay tena mibebaka kosa dia ho entin’I Jesoa mandositra any @ Toby,ary raha tsy tafiditra ireo miaramila ireo dia misy olona ampiasain’ny devoly ho tonga eo @ fitondrana ka hampiditra ireo fivavahana hafa hanafoan ny fivavahana Kristiana indrindra fa ny fifohazana (loza sy fandringanana koa izany)

 

 

4- sarotiny JESOA @ olomboafidin’ANDRIAMANITRA rehetra izay tsy miasa (Pasteur,Mpiandry,Môpera,Masera,presbitera,Mpitandrina,Katekista,Evanjelistra,ny vita batisa sy ny vita batemy rehetra fa tokony hikely aina fatratra @ fampibebahana ny Malagasy ny olomboafidin’ANDRIAMANITRA,mba tsy ho adinina amintsika ny ran’ny fandringanana ireo izay tsy mibebaka, izay tsy mahalala an’I JESOA sy tsy mino an’I JESOA.

 

 

Aoka ny FANAHY MASINA hitari-dalana anao sy ny ankohonanao ary ny Firenenao,indrindra ny handovantsika ny FIAINANA MANDRAKIZAY;

 

 

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra

 

 

Tsy zava-dehebe ny hiezahantsika hahafantatra ny olona nampitondran’I Jesoa ny hafatra fa ny Fitondran’Andriamanitra ao @ ireo TENINY ireo no LEHIBE

 

 

(Ezaho ny hampiely izao @ fizaranao ny fanaovanao photocopie maro)

 

AELEZO fa JESOA HAMALY FITIA ANAO.

 

 

 

Izay ary ny hafatra fa dia ny am-po mieritreritra.Hoy aho aminao fotsiny hoe:Tano mafy izay hinonao.

 

 

LASA DAHOLO NY NAMAKO

Nampidirin'i tsambaratelo | 20 Nov, 2009

 

        Folo taona izay no nahalasa an’ilay zandry kely. Izaho irery sisa no zanaky dada sy neny. Hatramin’ny nahalasan’ny zandry dia lahy aivo @ zanadralahin’I dada izay no mba namako,Tojo no anarany.Efa lehibe ihany koa izy.Mipetraka any ambanivohitra izy ,saingy miakatra eto Antananarivo matetika.Dia samy manana ny fiainany koa izahay,fa rehefa midina any ambanivohitra misy azy aho na koa hoe miakatra eto Tanà izy,dia miezaka ny ho tafaraka foana izahay.Any amin’iny faritra atsimo ny nosy iny no misy ny tànananay.

 

Miaraka mitaingina moto,na fiara ,mandeha mihinana masikita eny mahamasina, eo @ bazar du quartier,be vazivazy be izay izy ary dia mihomehy foana izahay rehefa tafaraka…Misary adala e.Irony karazana moto avo be irony ilay izy,ka natahotra aho mitaingina azy ireny.Nanariko izy t@izany saingy bandy ny tena e.Tsapako ny fitiavany an’ireny.

 

 

       Samy tsy nanana sipa ihany koa izahay,dia sahy mody alina.Izy anefa koa efa lalany tokony hanambady satria efa 38 taona izy tamin’izany.Izahay mianadahy no sisa tsy manambady t@ izany fotoana izany,fa ny tanora mitovy aminay eo @ fianakaviana, efa manambady aman-janaka avokoa.Ny sasany amin-dry zareo moa dia sorena; mahita anay miaraka mivanitika @ izay tany aleha rehetra.

 

Nisy fotoana iray izay izy niakatra teto Antananarivo fa handeha hivory.Nifampiantso izahay hoe hanao fotoana hiarahana rehefa vita ny fivorian-dry zareo.Saingy tavela tany ampivoriana izy dia tsy raikitra ny fihaonanay.Toa alim-be vao vita ny asany ,ary voatery izy nody iny andro iny avy eo.Izy rahateo nitondra ny fiara ny lehibeny.

 

 

        Tsy nihaona intsony izahay nanomboka teo.

 

Indray alahady maraina t@ 4ora maraina no injay nisy niantso ny findain’I neny.I neny tsy afaka nandray fa toa nandeha nitsangana izay izy ,ary izaho no taitra naheno ity antso vao maraina.Eny ambony latabatra no misy ny finday anay ka sady nanontany tena aho ,no nijery ny ora.

 

Nony noraisiko ny antso dia ny anadahiko no niteny tao.Izany hoe ny rahalahin’i Tojo.

 

Ny saiko koa toa efa ratsy foana rehefa mandray antso tsy @ ora mahazatra. Avy aho dia niteny hoe:”Fa ahoana?misy vaovao angaha?”Dia izao no navaliny: maty anio t@ 1ora sy 30  I Tojo. Nanazava teo izy,saingy efa tsy niditra ny lohako izany fa ny ranomaso no nameno ahy.

 

Hay izy nianjera t@ ilay moto fitaingenanay tany amin’iny faritra atsimo iny.Ary koa voason’ny fiara.,ary latsaka tany anaty hantsana. Nalahelo azy ery aho.

 

 

            Roa taona izay no nahalasa an’I Tojo,ary manina ny fiarahanay aho matetika.Ankehitriny aho dia tsy manana namana hiarahana intsony.Misy zanaky ny mpiray tampo amin’ny neny fa ankizy kely daolo ary koa promotion @ zandriko no akamaroany.

 

Ho lazaiko hoe tsy mitovy tady dokanga angaha?? Tsy fantatro…..

 

 

           Tsy mazoto intsony aho ny hidina any ambanivohitra izao.Tsy manana iray tampo hiarahana. Averiko fa misy iray tampo ihany, saingy manambady aman-janaka ry zareo,dia tsy sahiko ny manakotaba azy ireo Tamin’I Tojo mbola teo anefa dia matetika aho no midina any, indroa isan-kerinandro teo.Ankehitriny kosa, dia mamangy ny iray tampo @ dada sisa, na koa fetin’ny taranaka aho no midina..               

Fa mahalana izany a. Tsindraindray.

 

 

 

VAVAKA

Nampidirin'i tsambaratelo | 19 Nov, 2009

FANGATAHANA FANETRETENA 

Jesoa Malemy Fanahy sy manetry tena ao am-po:

AFAHO KA FONGORY ATO AMIKO:

Ny saina mitsikera sy mitsara

Ny faniriana ho hajaina

Ny faniriana ho hasohasoina sy hoderaina

Ny faniriana hahazo tombo-pitia

Ny faniriana hamiratra sy higagana

Ny faniriana hanjakazaka.

 RY    JESOA      TOMPO,    AOKA    HIANA    IRERY    NO   HO    TOMPON'NY      FOKO     SY          NY FIAINAKO;

HITOMBO      ISAN'   ANDRO     ATO     AMIKO      ANIE      IANAO      ARY     IZAHO  

Amena

FITIAVAN-DRAY NY ZANANY

Nampidirin'i tsambaratelo | 18 Nov, 2009

 

TARATASIN'I DADA 

 

Ny TENY rehetra izay ho hitanao manaraka eto dia marina avokoa.

 

Raha manaiky handray ny Teny voalaza eto ianao dia hanova ny fiainanao tokoa ,satria dia Teny avy ao ampon’Ilay Ray.

 

Tia anao Izy.

 

Ary Izy ihany koa no Ilay Ray izay hiritsika hananana eo amin’ny fiainana.

 

 

Indro àry ny taratasiny ho anao.

 

 

    Ry zanako,

 

 

 

Izaho no mahalala ny fipetrakao sy ny fitsanganao sady mahafantatra ny hevitrao eny lavitra eny. 

 

 

Voadiniko ny toetranao, na mandeha  na mandry;Ary fantatro tsara ny alehanao rehetra. 

 

 

Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa

 

 

Tahaka ny endriko no namoronako anao 

 

 

Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro;ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko

 

 

Ny masoko efa nahita anao na dia fony tsy mbola ary fady aza aho;voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry

 

 

Ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany

 

 

Mahatalanjona ny nanaovanao ahy

 

 

Fa Izaho no nahary ny voanao;namolavola anao tao an-kibon-dreninao

 

 

Izaho no nanankina anao hatrany am-bohoka;Izaho no namoaka anao avy tany an-kibon-dreninao  

 

 

Izaho dia Fitiavana,ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao Amiko,ary Izaho ao aminy

 

 

Endrey!manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika,dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ANDRIAMANITRA

 

 

Sady izany tokoa isika

 

 

Koa raha hianareon na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo,tsy mainka va IzahoIzay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Amiko?

 

 

Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterako Izay any an-danitra.

 

 

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo,dia hevitra hahatonga Fiadanana

 

 

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao.

 

 

 

                                            ANDRIAMANITRA TSITOHA

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Hevitra raha mahasoa.Resaka natoraly

Nampidirin'i tsambaratelo | 7 Nov, 2009

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 Ity misy hevitra mahasoa.Asa raha efa naheno ity resaka ity ianareo fa azo atao tsara ny tantely sy vovona canelle afangaroizay sahaza ny tarehanao (atao pâte),ary dia hosorana@ tarehy mandritra ny 2 herinandro eo.Ny tsaratsara dia entina matory ary maraina vao sasana,kanefa maditidity be io,angamba sorena ilay vady malala .Fa aleo mahavatra @ hariva alohan' ny hatory.

Ho hitanao àry fa hadio ny tarehy raha misy mony.

Efa nanoro hevitra teto ihany aho fa toa tsy nahomby.

Ô RY ALINA Tononkalo

Nampidirin'i tsambaratelo | 23 Okt, 2009

 

 Ô RY ALINA

Ô ry alina mangina

mitondra fisainana

Ho an'ny olo-manan-tsaina

Inona no vita omaly ?

nolalovana ny anio

Hanao ahoana ny ampitso?

Ô ry alina

Ô ry alina mampieritreritra

mampitaintaina ny ho avy

Ô ry alina...

Soa fa mandalo ty ianao

ka tsy handry izay hahamaraina

Toa mandrisika ahy hiezaka

ary hisondrotra hatrany

Fa tsy hitoe-poana

mbola hibanjina ny efa lasa.

                                                         Tsambaratelo ny 23-10-2009

 

 

 

 

FAHATSIAROVANA NY 01-10-2009

Nampidirin'i tsambaratelo | 6 Okt, 2009

 

                     Ho fahatsiarovana an'i Georges ANDRIAMANANTENA na i RADO

 

ANTSO

Antsoiko ianao mba hahatsiaro ireo malala ireo

Ary hangina iray minitra dia hanonona ny anarany

Saingy ataovy tsy ankiteny ary aza asiana feo

fa izay dia efa ampy hamakianao ny tantarany

                                   RADO

                                  14-05-1995

 

FAHATSIAROVANA NY 01 OKTOBRA 1923

Nampidirin'i tsambaratelo | 6 Okt, 2009

 

Miarahaba anareo tsirairay ny tenako.Miala tsiny aho raha izao indray vao afaka hitafa aminareo,fa somary nisitaka vetivety.

Raha nahatsikaritra ianareo dia nisy Tononkalo nosoratan'i Rado vitsivitsy naveriko nosoratana teto.

Io no tiako hahatongavana manaraka eto.

 

-o--o-o--o-

FALY MIARAHABA AN'I RADO AHO ANKEHITRINY NAHATRATRA NY FAHATSIAROVANA NY TSINGERINTAONY.

*Anarana: ANDRIAMANANTENA

*Fanampin'anarana: Georges

*Teraka tamin'ny: 01 Oktobra 1923

*Ray: ANDRIAMANANTENA Gaston,Mpitandrina (efa maty)

*Reny: RAZAFINDRAFARA (efa maty)

Marina tokoa fa tsy eo intsony izy,nefa inona moa no mahadiso raha mba mahatsiaro azy isika rehetra.

Indrindra fa ho an'ireo taranaka izay navelany:

                   Vady: RAVOLOLONA Edwige

                  Zanaka: 4 vavy,2 lahy

                  Zafikely: 13 mianadahy

                  Zana-jafy: 8 mianadahy

Maro tokoa mantsy ny soa sy ny anatra azo avy tamin'ny sangan'asan'i Rado;

koa isaorana Jesoa Kristy izay nanome antsika ny andro nifaneraserantsika tamin'i Rado tety ambon'ny tany.Misaotra hatrany tamin'ireo tonon-bavaka nosoratany, izay nampionona sy nampahery ny ankohonanay

Mino izahay mpankafy an'i Rado fa mbola hisy hanohy ny sangan'asany avy amin'ireo taranany.

Misaotra tompoko

 

Tsy eto intsony mantsy ianao

Fa lasa any, any ambony any

Dia tsy ho adino velively

Satria ,satria namela teny mamy

 

Ny mpankafy tsy manadino

ary koa tsy hanadino

Fa toa akaikin'ny fo hatrany

Raha vao mamaky irony asa

Dia i Rado no mby ao an-tsaina.

                                                        06-10-2009

                                                    Ai-baliaka

Atolotro ho an'i...

Nampidirin'i tsambaratelo | 4 Sep, 2009

 

Misaotra an'i Rado manokana aho t@ nanoratany ity dia penina ity fa mahakasika ahy manokana mantsy.Ary raha vao vantany mamaky ity soratra ty ilay olona izay,dia fantany avy hatrany ny tiako hambara.Ary nifanaovantsika izy ity ary mino aho fa mbola hitohy izany.E?! ho an'ny malalako izay 'ty a.

TIAVIKO MANGINA

 Tiaviko mangina ianao, nefa tsisy mpahalala

Ary ianao mihintsy aza tsy hahafantatra fa tiako

Tononiko ny anaranao dia ampiako hoe "malala"

Saingy tsy asiako feo fa izany no hafaliako.

 

Ny toerana ihaonantsika?Ao an'eritreritro ao

Tsy sembanin'iza n'iza na izay mpitsongo dia

Ao manarampo ny foko raha manoroka anao

Sady mitantana mora ny hafenoan'ilay fitia

Vao mamaky ity ianao,ka manontany tena hoe:

"Sao izaho kosa ity voasorany eto ity?"

-Tena ianao mihitsy fa za asiana resabe

Satri vao manontany tena dia efa raisiko fa tia.

                                                     Rado

                                                       (Mey 2000)

 

TONONKALO

Nampidirin'i tsambaratelo | 3 Sep, 2009

 

 

ALAHELOVY

 

Alahelovy aho aky rehefa malomaloka andro!

Tsisy antony hoe ahoana fa dia alahelovy fotsiny

Dia angalaro jery kely ao anaty boky any

'Lay sariko nafeninao...Dia mitsera kely monja!

 

Mba tonony aky ny anarako isaky ny mahatsiaro!

Indrindra moa raha misy hafa te hangalatra ny toerako

Aza asiana feo anefa fa tonony am-po mangina 

Hankahery ilay fitia tsy ho folaky ny sedra!

 

Izany mantsy no fanaoko rehefa malahelo anao

Ary satriko ho izany no hifanahafantsika

Iriko mihoatra izany aza hisy hitatitra amiko hoe:

"Nalahelo ahy ianao,efa hateloana izay"

 

RADO

(Mey 1996)

 

 

 

 

 

 

TONONKALO

Nampidirin'i tsambaratelo | 28 Aog, 2009

 Anisan'ny mpankafia ny tononkalo nosoratan'i Rado aho,ka mamelà ahy ianareo haneho ny sangan'asany.Mino aho fa maro ianareo ny manka mamy ny asa sorany.Ny volana oktobra mantsy ny tsingerintaonany ka mba mahatsiaro ny tena dia mba nanoratra ny asany kely.     tsy maninona ve?

 

 

RESAKY NY FO

 

Tsela-jery vitsy monja no nifanomezantsika

Dia efa samy nahatsapa embonembona mifoha

Tsisy resaka na teny, nefa fantatra tsy adika

f'ireny topimaso ireny dia efa resaky ny fo

                                                                                      (18 oktobra 1997)

 

SOURIONS!!

Nampidirin'i tsambaratelo | 24 Aog, 2009

 

CHEZ LE PSY

Une cliente arrive en retard chez son psy.

A-Excusez moi docteur..

B-Ce n'est pas grave,lui répond celui-ci?J'avais commencé sans vous.

TOROHEVITRA HO ANTSIKA VEHIVAVY ETO @ BLAOGY

Nampidirin'i tsambaratelo | 24 Aog, 2009

 

Ny vehivavy tokoa no tarihina hanao izao.Nefa mety ho an'ireo lehilahy ihany koa raha toa ianao ka jejojejo.Mba tsambaratelo-tsika eto @ blaogy izy ity.Afaka handramanao koa anefa fa tsy dia sarotra be manao ahoana.Toro hevitra hahasoa ny tenantsika.Efa maro ireo vehivavy nanaraka izao,ny masoko no nahita fa tsara ary dia efa nanao azy ity aho.Izao ary fa sao sosotra ianareo e.

-savony nosy(rapé)  sy tantely afangaro ireo.Atao @ tarehy mandritran'ny 30 minitra eo.

Avy eo sasana @ savony baobab.

Marihina fa ny hahitana io savony baobab io dia eny @ homeopharma.Atao isan'andro anaty 1volana/avy eo in-2 isan-kerinandro.Arakaraka ny fiovana hitanao.

Ilazao aho raha nahahomby

 

Andao hitsiky indray

Nampidirin'i tsambaratelo | 24 Aog, 2009

                                              HISTOIRE DE CHEVAL

 

Un homme à son collègue:

-A-    Tu sais,depuis des mois je fais le même rêve chaque nuit.Je vois tjr des carottes,des pommes de terre et des betteraves.j'ai demandé la signification à tt le monde :de ma femme,à notre curé,mais personnen'a pu m'éclairer.Puis mardi dernier,j'ai jeté par hasard un coup d'oeuil sur le programme de PMU et tu devineras jms les 3premier chevaux pour la course du mardi.

-B-  carottes,..pomme de terre,..betterave

-A-Bien vu...alors j'ai visé tt sur ces 3 chevaux.Tt ma fortune y passait.

-B-Et tu as le jackpot?

-A-Non,c'est un tocard qui s'appelle...macédoine qui a gagné.

HIRA tiako sy mandresy lahatra ahy

Nampidirin'i tsambaratelo | 11 Aog, 2009
 
FA TSARA IANAO
 (Fara Andriamamonjy)
 
Izao fiainako izao
Efa napetrako Aminao
Ianao Jeso ilay mpamonjy
Efa nekeko ho Andriamanitro
 
K'izay mitranga amiko
Anio, ampitso, rahatrizay
Ekeko fa tendrinao
Raha mbola ianao no miahy ahy
 
 
Ry olona ô! lazaiko izao
F'izay mitanga eo aminao
Raha mbola Jesoa ilay Mpamonjy
No ekenao ho Andriamanitra
 
Dia làlana ahatsara anao
Ho fiainana ho anao indray
sy hitondra fiadanana
Ety sy ho rahatrizay
 
 
Ka dera no atolotro
Ho Anao ry Tompo ô
Fa tsara Ianao, Fa tsara Ianao
Sady Mpanao ny tsara koa
 
Izay rehetra ataonao
Sy avelanao hitranga koa
dia mahasoa, satria tsara Ianao
Sady Mpanao ny tsara koa

RY FOKO (Tononkalo)

Nampidirin'i tsambaratelo | 7 Aog, 2009

 

 

 

Ô ry foko kely

sadaikatra raha mba hiteny

tsy nahaloa-peo

Tsy nahateny teny

Kay nizara ilay fitia

 

fa naninona 'ty ianao

ry foko adaladala

dia fitia  nokobonina

nozaraina samy irery

 

Fa naninona 'ty ianao

toa ory sy misento

zato fihetsikao tsy nahazatra

Dia lasam-binany

 

                                                                              aibaliaka (25-08-09)

 

 

MOMBAMOMBA AHY

Nampidirin'i tsambaratelo | 7 Aog, 2009

 

Tovovavy teraka tany @ faritra atsinanana aho,t@ taona 1983,dia nipetraka eto andrenivohitra aho ankehitriny.

Maro mpiray tampo izahay fa izaho irery no vehivavy ao aminay.Mbola mpianatra eny @ anjery manontolo aho,ao @ sampana DEGS.Ny marina kokoa dia ao @ AEDM.Fa efa hamarana aho izao.

 

 

NY SAKAFO

      Raha izaho aloha, tsy dia mifidy sakafo.Fa ankafiziko daolo.ny tena tiako an:-trondro (besisika endasina asiana sakamalaho ireny na koa hoe: poisson frite)  -totokena sy anandrano atao rony.Tsy hoe ireo foana no laoka rehefa ao antrano a.Fa mahay karazany hafa koa aho.

 

 

NY FIALAMBOLY Cool

      Mijanona ao an-trano: inona ary no ataoko ao?  mihaino mozika,  mamaky boky, miresadresaka, tia mandia,tia mihomehy(izany koa no maha betsaka ny tantara mampihome ato @ blaogiko) , mandeha miantsena koa tsy adino a.

Ny zavatra horesahako eto dia ny tononkalo,ny hira,...zany hoe hiala @ mahazatra izay hita eto.

 

 

 NY FIHETSIKATongue out

Ny olona mahita ahy dia milaza fa jejo aho,kanefa tsy dia hitako loatra izany. Eny e!aiza moa hisy vehivavy tsy ho jejo @ izao vanimpotoana izao?

      Vehivavy tsotra, tsy dia be teny loatra.Izany angaha no nahatonga ahy eto @ blaogy?eto aho no maresaka,satria tsy misy olona mahita ahy eto.Fa dia izaho sy ny klavie irery.

      Tsy dia nahazo halavana loatra, tsy hoe fohy kely koa anefa a.

      Lava volo,fotsy fihodirana,peta-korona,baribary maso...

 


  Izay ary ny momba an'i tsambaratelo.Mino aho fa afa-po ianareo nahalala ahy.Fanahiniako mihintsy raha izao aho vao miresaka izany mba hahalalanareo ahy bebe kokoa.

 

                           FALY AHO MANDRAY TANANA ANAO IZAY MAMAKY NY BLAOGIKO

TONONKALO

Nampidirin'i tsambaratelo | 5 Aog, 2009

 

 

 

ANY IANAO?

 

 

Raha mbola any ianao

Aza manadino

Fa manina ny aty

Ny sakaiza mbola tia

 

 

 

Raha mbola any ianao

Iangaviako tsy hanadino 

Ny fiarahana fahiny

 

 

 

Raha any ianao

ka izaho aty 

Izaho tsy hanadino

Ny tontolo-tsika roa

                                                                               aibaliaka

                                                                                 (10-03-09)

TSIKY KELY INDRAY

Nampidirin'i tsambaratelo | 5 Aog, 2009

 

AKOHO

 

A: Inona izato andrahoinao vao maraina ramatoa a?

B:  Mahandro katsaka aho

A:  Oadray,katsaka no handrahoinao nefa toa ny renin'akohoko izany tazako izany?

B: Ka ao anatin'ny takorobabon'ny akohonao daolo ireo katsaka rehetra saika handrahoiko kanoh!

TSIKY KELY Ô

Nampidirin'i tsambaratelo | 23 Jol, 2009
 
PASITERA
 
X:  Malaza tia vola be hono Pasitera ao aminareo io an!
 
Y: zany ihany no tsy handefasako miangona intsony an'iny vadiko iny!
 
X: fa maninona teitsy?
 
Y: Ka Vola anie no anaran'ny vadiko e!
 
 
 
 
 
NANINONA?
 
Neny: fa maninona ianao no mitomany?
 
kiki: Nidona t@ varavarana ny lohan'i dada
 
Neny: izany ve dia hampitomany fa tsy vao mainka aza mampihomehy?
 
Kiki: Ka efa nihomehy be mihitsy aho fa nofelahany kah.

MOMBAMOMBA AN'I TSAMBARATELO

Nampidirin'i tsambaratelo | 16 Jol, 2009

 

        Tovovavy teraka tany @ faritra atsinanana aho,t@ taona 1983,dia nipetraka eto        andrenivohitra aho ankehitriny.

Maro mpiray tampo izahay fa izaho irery no vehivavy ao aminay.Mbola mpianatra eny @ anjery manontolo aho,ao @ sampana DEGS.Ny marina kokoa dia ao @ AEDM.Fa efa hamarana aho izao.

NY ANARAKO

Tsiambaratelo no nataoko anarako,saigy lava be loatra dia tsy tafiditra.Dia nataoko hoe tsambaratelo io.fa dia samy manao ny anarany hanaitra ny olona no nosafidiako azy io.

Iray ihany i tsambaratelo sy Ai-baliaka,izay hanoratra ny tononkalo eto.;sao ianao gaga.

 

 

NY SAKAFO

      Raha izaho aloha, tsy dia mifidy sakafo.Fa ankafiziko daolo.ny tena tiako an:-trondro (besisika endasina asiana sakamalaho ireny na koa hoe: poisson frite)  -totokena sy anandrano atao rony.Tsy hoe ireo foana no laoka rehefa ao antrano a.Fa mahay karazany hafa koa aho.

 

 

NY FIALAMBOLY

      Mijanona ao an-trano: inona ary no ataoko ao?    mianatra lesona,  mihaino mozika,  mamaky boky, miresadresaka, tia mandia,tia mihomehy(izany koa no maha betsaka ny tantara mampihome ato @ blaogiko) , mandeha miantsena koa tsy adino a.

 

 

 NY FIHETSIKA

Ny olona mahita ahy dia milaza fa jejo aho,kanefa tsy dia hitako loatra izany. Eny e!aiza moa hisy vehivavy tsy ho jejo @ izao vanimpotoana izao?

      Vehivavy tsotra, tsy dia be teny loatra.Izany angaha no nahatonga ahy eto @ blaogy?eto aho no maresaka,satria tsy misy olona mahita ahy eto.Fa dia izaho syny klavi irery.

      Tsy dia nahazo halavana loatra, tsy hoe fohy kely koa anefa a.

      Lava volo,fotsy fihodirana,peta-korona,baribary mas

 

FIFANDRAISANA

Raha te hifandray amiko ary ianao dia manoratà eto

                                [email protected]

 

 

  Izay ary ny momba an'i tsambaratelo.Mino aho fa afa-po ianareo nahalala ahy.Fanahiniako mihintsy raha izao aho vao miresaka izany mba hahalalanareo ahy bebe kokoa.

 

FALY AHO MANDRAY TANANA ANAO IZAY MAMAKY NY BLAOGIKO

 

MBA AHOANA NO HITONDRANA TENA TSARA

Nampidirin'i tsambaratelo | 16 Jol, 2009
MBA AHOANA NO HITONDRANA NY TENANAO HO TSARA?
 
 
 
Ho anao tanora namana
aza adino ny lalàny
Ny fonao aoka hitandrina ny didiny
Fa andro sy taona ela no hiainana 
Dia atolony anao ny fiadanana
 
Ho anao sakaiza tia
ny famindram-po sy fahamarinana
no aoka hitoetra ao aminao
Ka hazony sy fatory
ho ao anatinao
dia hahazo fahalalana ombam-pitia
Eo @ ilay Mpahary, eo @ olona
 
Matokia Azy @ ny fonao ianao
Ary aza miankina @ fahalalanao
maneke Azy @ halehanao
Fa jehovah handamina ny làlanao
 
Aza manao ny tenanao ho hendry
fa matokia an'i Jehovah
ka mifadia ny ratsy
dia ho velombelona ny nofonao
 
Mankalazà an'i Jehovah @fanananao
sy izay rehetra eo aminao
dia ho feno sy tanteraka 
ny vata fitehirizanao
 
Ry tanora sy sakaiza
aza tofoka,aza reraka
ny fananaran'ilay Nahary
fa izay tia Azy no anariny
tahaka ny ray @ zanaka tiany
 
 
                                                                       [email protected]
                                                                      14-07-09

TONONKALO

Nampidirin'i tsambaratelo | 14 Jol, 2009

 

 NY MARAINA

 

          'Ty aho ka mifoha maraina

           Vaka ny saina,manontany tena

           Hay mbola velona

           Dia tsiky ny maraina

 

 

handeha hidera sy hankalaza

hasandrato ny hoby,hasandrato ny feo

handeha hihira,handeha hiantso 

Fa tonga ny maraina

maraim-baovao

 

 

             Misaotra ry Tompo

             Tody soa ny maraina

             Faly ny fo fa,

             andro vaovao

             Andro tena soa.

 

 

Miderà ry zava-boaary

Miderà ry tontolo

Miderà ry tany

Ry manam-pofon'aina

sy olom-boavonjy

 

                                                                                                          Ai-balika (10-03-09)

 

 

RY TANIKO

Nampidirin'i tsambaratelo | 30 Jio, 2009

    

Ity misy tononkalo iray,vetso-po izy ity.Mba ho mariky ny Tanindrazantsika.

                                      RY TANIKO

 

Ry Taniko,izay mamiko

Lalaiko tsy foiko satria,

Tao no nipoirako.

 

Misaotra Anao aho,nanome ny fireneko

Misaotra Anao aho,nanome teny ifandraisako,

 

raha tsy teo Ianao

dia tsy ary akory aho

Raha tsy teo Ianao

Tsy ary koa ny Taniko,

Raha tsy teo Ianao

Tsy nisy koa ny teniko

 

Fa soa, soa fa nisy Anao

Soa,fa eo Ianao

 Nanao izao rehetra izao

 

Ry teniko lalaiko,

Tsara voatra, tsara ranty

Tsy misy mamiko mihoatra anao aty

 

Ry Taniko tsy foiko

 

Marary ny aiko,

maratra ny foko,

Mitomany ny mas

manjombona ny andro

raha misy manjo anao

                                                                Ianao ilay Fireneko

                                                                                        Balika(28-05-09)

MIARAHABA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA NAHATRATRA NY 26 JIONA

Nampidirin'i tsambaratelo | 30 Jio, 2009

Na malagasy avy aiza ianao,na avy aiza dia faly aho miarahaba anareo,tratry ny asaramanitra.Isika ary moa raha hankalaza ny andro nahaterahana dia faly isika manasa olona toy ny namana aman-tsakaiza,ny fihinana mofo mamy (gateau)etsy andaniny,ny sakafo matsiro ko tsy adino....

maika ve fa ny Tanindrazana!!??mino aho fa dia samy naneho ny hafaliany avokoa isika rehetra.

Ny tanànay moa ny tontolo  andro dia nangina tanteraka.Na ny mpivarotra majinika aza tsy nisy nivarotra.Ka nefa t@ krismasy dia mbola nivarotra avokoa,toy ny eny Isotry,analakely.

MIdika toko izany fa fety ho an'ny olona rht ny 26 jiona.

Ny mampalahelo fotsiny dia hoe: efa hiditra ny atsasaky ny "siècle" isika nefa mbola izao ny fiainan-dRamalagasy.

 

                                       MAMPAONENA Ô!

 

 

Fetin' i neny t@ zoma

Nampidirin'i tsambaratelo | 10 Jio, 2009
T@ zoma aho no naka ny ankizy tany ampianarany.Ka samy nitondra ny asa tanana avokoa izy rht,miaraka @ mofo mamy.Dia hoy ny iray tamiko: "efa ao antrano ve neny?tsy andriko zay hahatongavana any antrano." Dia nazavaiko azy fa @ alahady vao omena an'i neny ireto zvtr ireto fa tsy anio. dia nanaiky izy. Ilay kely io mo dia bedin'ny zokiny ery,fa hoe tsy maimaika hono. tonga tany antrano dia mbola tsy tonga i neniny.Ilay mofo mamy hoy ianareo......???? tsengoany hatrany ilay izy. ka toy ny nisy voalavo kely nihinana ilay gatô. dia mbola bedin'ny zokiny iany izy. Ary fantan'ilay kely fa tsy nety ilay nataony,ary lasa izy nampiditra ilay gatô tao anaty vata mangatsiaka.(frigo). Injay fa naneno ny vavahady.....niakatra ny tohotra i neny...... ilay kely kosa tonga dia nanatona ny varavaram-be nitsena an'i neny. Ary dia hoy izy: "neny a! reto ny zvtr nataonay tany ampianarana, dia ity ko lay gatô...." nihomehy neny ary dia nanaiky izy. Avy eo dia noredoiny ny tsianjery keliny. Ilay zokiny indray dia nananatra azy hatrany.fa t@ alahady kosa ny azy vô nomeny ny asan'ny tanany. HAFA MINTSY NY ANKIZY Ô!!

mbola te hitsiky ihany........(tohiny)

Nampidirin'i tsambaratelo | 10 Jio, 2009
CAMBRIOLAGE -Et les cambrioleurs ont vidé la maison alors que vous y étiez??? -Comme je vous le dis, monsieur l'agent! mais ils ont été malins! ils n'ont pas emporté ma télévision. PAROLES DE BETES Une poule s'inscrit à un cours de boxe.Son prof. lui demande: -Pourquoi avez-vous choisi ce sport? -Parce que j'en ai assez qu'on me traite de poule mouillée...

andao hitsiky @ teny frantsay

Nampidirin'i tsambaratelo | 10 Jio, 2009
BEN VOYONS.... -Les gens devraient tout le temps dormir la fenêtre ouverte -et,pourquoi? vous êtes médecin? -Non.... Je suis cambrioleur!

Vaovao

Nampidirin'i tsambaratelo | 29 Mey, 2009

                               

                           Faly aho miaraka aminareo ato amin'ny blaogy.Hiezaka ny hanoratra hatrany aho anefa.Toa mbola votsa ny tenanay raha hikaroka eto @ toerana misy ny blaogy.Mbola tsy zatrta ry 'reto a.Fa dia mino aho fa mandeha tsikelikely eny ihany.

                    SmileMisaotra sahady ho an'ireo izay hamaky ny lahatsoratra misy eto.Smile