MOMBAMOMBA AN'I TSAMBARATELO
Nampidirin'i tsambaratelo | 16 Jol, 2009
Tovovavy teraka tany @ faritra atsinanana aho,t@ taona 1983,dia nipetraka eto andrenivohitra aho ankehitriny.
Maro mpiray tampo izahay fa izaho irery no vehivavy ao aminay.Mbola mpianatra eny @ anjery manontolo aho,ao @ sampana DEGS.Ny marina kokoa dia ao @ AEDM.Fa efa hamarana aho izao.
NY ANARAKO
Tsiambaratelo no nataoko anarako,saigy lava be loatra dia tsy tafiditra.Dia nataoko hoe tsambaratelo io.fa dia samy manao ny anarany hanaitra ny olona no nosafidiako azy io.
Iray ihany i tsambaratelo sy Ai-baliaka,izay hanoratra ny tononkalo eto.;sao ianao gaga.
NY SAKAFO
Raha izaho aloha, tsy dia mifidy sakafo.Fa ankafiziko daolo.ny tena tiako an:-trondro (besisika endasina asiana sakamalaho ireny na koa hoe: poisson frite) -totokena sy anandrano atao rony.Tsy hoe ireo foana no laoka rehefa ao antrano a.Fa mahay karazany hafa koa aho.
NY FIALAMBOLY
Mijanona ao an-trano: inona ary no ataoko ao? mianatra lesona, mihaino mozika, mamaky boky, miresadresaka, tia mandia,tia mihomehy(izany koa no maha betsaka ny tantara mampihome ato @ blaogiko) , mandeha miantsena koa tsy adino a.
NY FIHETSIKA
Ny olona mahita ahy dia milaza fa jejo aho,kanefa tsy dia hitako loatra izany. Eny e!aiza moa hisy vehivavy tsy ho jejo @ izao vanimpotoana izao?
Vehivavy tsotra, tsy dia be teny loatra.Izany angaha no nahatonga ahy eto @ blaogy?eto aho no maresaka,satria tsy misy olona mahita ahy eto.Fa dia izaho syny klavi irery.
Tsy dia nahazo halavana loatra, tsy hoe fohy kely koa anefa a.
Lava volo,fotsy fihodirana,peta-korona,baribary mas
FIFANDRAISANA
Raha te hifandray amiko ary ianao dia manoratà eto
Izay ary ny momba an'i tsambaratelo.Mino aho fa afa-po ianareo nahalala ahy.Fanahiniako mihintsy raha izao aho vao miresaka izany mba hahalalanareo ahy bebe kokoa.
FALY AHO MANDRAY TANANA ANAO IZAY MAMAKY NY BLAOGIKO
MBA AHOANA NO HITONDRANA TENA TSARA
Nampidirin'i tsambaratelo | 16 Jol, 2009TONONKALO
Nampidirin'i tsambaratelo | 14 Jol, 2009
NY MARAINA
'Ty aho ka mifoha maraina
Vaka ny saina,manontany tena
Hay mbola velona
Dia tsiky ny maraina
handeha hidera sy hankalaza
hasandrato ny hoby,hasandrato ny feo
handeha hihira,handeha hiantso
Fa tonga ny maraina
maraim-baovao
Misaotra ry Tompo
Tody soa ny maraina
Faly ny fo fa,
andro vaovao
Andro tena soa.
Miderà ry zava-boaary
Miderà ry tontolo
Miderà ry tany
Ry manam-pofon'aina
sy olom-boavonjy
Ai-balika (10-03-09)