Atolotro ho an'i...
Nampidirin'i tsambaratelo | 4 Sep, 2009
Misaotra an'i Rado manokana aho t@ nanoratany ity dia penina ity fa mahakasika ahy manokana mantsy.Ary raha vao vantany mamaky ity soratra ty ilay olona izay,dia fantany avy hatrany ny tiako hambara.Ary nifanaovantsika izy ity ary mino aho fa mbola hitohy izany.E?! ho an'ny malalako izay 'ty a.
TIAVIKO MANGINA
Tiaviko mangina ianao, nefa tsisy mpahalala
Ary ianao mihintsy aza tsy hahafantatra fa tiako
Tononiko ny anaranao dia ampiako hoe "malala"
Saingy tsy asiako feo fa izany no hafaliako.
Ny toerana ihaonantsika?Ao an'eritreritro ao
Tsy sembanin'iza n'iza na izay mpitsongo dia
Ao manarampo ny foko raha manoroka anao
Sady mitantana mora ny hafenoan'ilay fitia
Vao mamaky ity ianao,ka manontany tena hoe:
"Sao izaho kosa ity voasorany eto ity?"
-Tena ianao mihitsy fa za asiana resabe
Satri vao manontany tena dia efa raisiko fa tia.
Rado
(Mey 2000)