TONONKALO

Nampidirin'i tsambaratelo | 3 Sep, 2009

 

 

ALAHELOVY

 

Alahelovy aho aky rehefa malomaloka andro!

Tsisy antony hoe ahoana fa dia alahelovy fotsiny

Dia angalaro jery kely ao anaty boky any

'Lay sariko nafeninao...Dia mitsera kely monja!

 

Mba tonony aky ny anarako isaky ny mahatsiaro!

Indrindra moa raha misy hafa te hangalatra ny toerako

Aza asiana feo anefa fa tonony am-po mangina 

Hankahery ilay fitia tsy ho folaky ny sedra!

 

Izany mantsy no fanaoko rehefa malahelo anao

Ary satriko ho izany no hifanahafantsika

Iriko mihoatra izany aza hisy hitatitra amiko hoe:

"Nalahelo ahy ianao,efa hateloana izay"

 

RADO

(Mey 1996)