HIRA tiako sy mandresy lahatra ahy

Nampidirin'i tsambaratelo | 11 Aog, 2009
 
FA TSARA IANAO
 (Fara Andriamamonjy)
 
Izao fiainako izao
Efa napetrako Aminao
Ianao Jeso ilay mpamonjy
Efa nekeko ho Andriamanitro
 
K'izay mitranga amiko
Anio, ampitso, rahatrizay
Ekeko fa tendrinao
Raha mbola ianao no miahy ahy
 
 
Ry olona ô! lazaiko izao
F'izay mitanga eo aminao
Raha mbola Jesoa ilay Mpamonjy
No ekenao ho Andriamanitra
 
Dia làlana ahatsara anao
Ho fiainana ho anao indray
sy hitondra fiadanana
Ety sy ho rahatrizay
 
 
Ka dera no atolotro
Ho Anao ry Tompo ô
Fa tsara Ianao, Fa tsara Ianao
Sady Mpanao ny tsara koa
 
Izay rehetra ataonao
Sy avelanao hitranga koa
dia mahasoa, satria tsara Ianao
Sady Mpanao ny tsara koa