FAHATSIAROVANA NY 01 OKTOBRA 1923

Nampidirin'i tsambaratelo | 6 Okt, 2009

 

Miarahaba anareo tsirairay ny tenako.Miala tsiny aho raha izao indray vao afaka hitafa aminareo,fa somary nisitaka vetivety.

Raha nahatsikaritra ianareo dia nisy Tononkalo nosoratan'i Rado vitsivitsy naveriko nosoratana teto.

Io no tiako hahatongavana manaraka eto.

 

-o--o-o--o-

FALY MIARAHABA AN'I RADO AHO ANKEHITRINY NAHATRATRA NY FAHATSIAROVANA NY TSINGERINTAONY.

*Anarana: ANDRIAMANANTENA

*Fanampin'anarana: Georges

*Teraka tamin'ny: 01 Oktobra 1923

*Ray: ANDRIAMANANTENA Gaston,Mpitandrina (efa maty)

*Reny: RAZAFINDRAFARA (efa maty)

Marina tokoa fa tsy eo intsony izy,nefa inona moa no mahadiso raha mba mahatsiaro azy isika rehetra.

Indrindra fa ho an'ireo taranaka izay navelany:

                   Vady: RAVOLOLONA Edwige

                  Zanaka: 4 vavy,2 lahy

                  Zafikely: 13 mianadahy

                  Zana-jafy: 8 mianadahy

Maro tokoa mantsy ny soa sy ny anatra azo avy tamin'ny sangan'asan'i Rado;

koa isaorana Jesoa Kristy izay nanome antsika ny andro nifaneraserantsika tamin'i Rado tety ambon'ny tany.Misaotra hatrany tamin'ireo tonon-bavaka nosoratany, izay nampionona sy nampahery ny ankohonanay

Mino izahay mpankafy an'i Rado fa mbola hisy hanohy ny sangan'asany avy amin'ireo taranany.

Misaotra tompoko

 

Tsy eto intsony mantsy ianao

Fa lasa any, any ambony any

Dia tsy ho adino velively

Satria ,satria namela teny mamy

 

Ny mpankafy tsy manadino

ary koa tsy hanadino

Fa toa akaikin'ny fo hatrany

Raha vao mamaky irony asa

Dia i Rado no mby ao an-tsaina.

                                                        06-10-2009

                                                    Ai-baliaka