FITIAVAN-DRAY NY ZANANY

Nampidirin'i tsambaratelo | 18 Nov, 2009

 

TARATASIN'I DADA 

 

Ny TENY rehetra izay ho hitanao manaraka eto dia marina avokoa.

 

Raha manaiky handray ny Teny voalaza eto ianao dia hanova ny fiainanao tokoa ,satria dia Teny avy ao ampon’Ilay Ray.

 

Tia anao Izy.

 

Ary Izy ihany koa no Ilay Ray izay hiritsika hananana eo amin’ny fiainana.

 

 

Indro àry ny taratasiny ho anao.

 

 

    Ry zanako,

 

 

 

Izaho no mahalala ny fipetrakao sy ny fitsanganao sady mahafantatra ny hevitrao eny lavitra eny. 

 

 

Voadiniko ny toetranao, na mandeha  na mandry;Ary fantatro tsara ny alehanao rehetra. 

 

 

Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa

 

 

Tahaka ny endriko no namoronako anao 

 

 

Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro;ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko

 

 

Ny masoko efa nahita anao na dia fony tsy mbola ary fady aza aho;voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry

 

 

Ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany

 

 

Mahatalanjona ny nanaovanao ahy

 

 

Fa Izaho no nahary ny voanao;namolavola anao tao an-kibon-dreninao

 

 

Izaho no nanankina anao hatrany am-bohoka;Izaho no namoaka anao avy tany an-kibon-dreninao  

 

 

Izaho dia Fitiavana,ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao Amiko,ary Izaho ao aminy

 

 

Endrey!manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika,dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ANDRIAMANITRA

 

 

Sady izany tokoa isika

 

 

Koa raha hianareon na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo,tsy mainka va IzahoIzay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Amiko?

 

 

Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterako Izay any an-danitra.

 

 

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo,dia hevitra hahatonga Fiadanana

 

 

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao.

 

 

 

                                            ANDRIAMANITRA TSITOHA