LASA DAHOLO NY NAMAKO

Nampidirin'i tsambaratelo | 20 Nov, 2009

 

        Folo taona izay no nahalasa an’ilay zandry kely. Izaho irery sisa no zanaky dada sy neny. Hatramin’ny nahalasan’ny zandry dia lahy aivo @ zanadralahin’I dada izay no mba namako,Tojo no anarany.Efa lehibe ihany koa izy.Mipetraka any ambanivohitra izy ,saingy miakatra eto Antananarivo matetika.Dia samy manana ny fiainany koa izahay,fa rehefa midina any ambanivohitra misy azy aho na koa hoe miakatra eto Tanà izy,dia miezaka ny ho tafaraka foana izahay.Any amin’iny faritra atsimo ny nosy iny no misy ny tànananay.

 

Miaraka mitaingina moto,na fiara ,mandeha mihinana masikita eny mahamasina, eo @ bazar du quartier,be vazivazy be izay izy ary dia mihomehy foana izahay rehefa tafaraka…Misary adala e.Irony karazana moto avo be irony ilay izy,ka natahotra aho mitaingina azy ireny.Nanariko izy t@izany saingy bandy ny tena e.Tsapako ny fitiavany an’ireny.

 

 

       Samy tsy nanana sipa ihany koa izahay,dia sahy mody alina.Izy anefa koa efa lalany tokony hanambady satria efa 38 taona izy tamin’izany.Izahay mianadahy no sisa tsy manambady t@ izany fotoana izany,fa ny tanora mitovy aminay eo @ fianakaviana, efa manambady aman-janaka avokoa.Ny sasany amin-dry zareo moa dia sorena; mahita anay miaraka mivanitika @ izay tany aleha rehetra.

 

Nisy fotoana iray izay izy niakatra teto Antananarivo fa handeha hivory.Nifampiantso izahay hoe hanao fotoana hiarahana rehefa vita ny fivorian-dry zareo.Saingy tavela tany ampivoriana izy dia tsy raikitra ny fihaonanay.Toa alim-be vao vita ny asany ,ary voatery izy nody iny andro iny avy eo.Izy rahateo nitondra ny fiara ny lehibeny.

 

 

        Tsy nihaona intsony izahay nanomboka teo.

 

Indray alahady maraina t@ 4ora maraina no injay nisy niantso ny findain’I neny.I neny tsy afaka nandray fa toa nandeha nitsangana izay izy ,ary izaho no taitra naheno ity antso vao maraina.Eny ambony latabatra no misy ny finday anay ka sady nanontany tena aho ,no nijery ny ora.

 

Nony noraisiko ny antso dia ny anadahiko no niteny tao.Izany hoe ny rahalahin’i Tojo.

 

Ny saiko koa toa efa ratsy foana rehefa mandray antso tsy @ ora mahazatra. Avy aho dia niteny hoe:”Fa ahoana?misy vaovao angaha?”Dia izao no navaliny: maty anio t@ 1ora sy 30  I Tojo. Nanazava teo izy,saingy efa tsy niditra ny lohako izany fa ny ranomaso no nameno ahy.

 

Hay izy nianjera t@ ilay moto fitaingenanay tany amin’iny faritra atsimo iny.Ary koa voason’ny fiara.,ary latsaka tany anaty hantsana. Nalahelo azy ery aho.

 

 

            Roa taona izay no nahalasa an’I Tojo,ary manina ny fiarahanay aho matetika.Ankehitriny aho dia tsy manana namana hiarahana intsony.Misy zanaky ny mpiray tampo amin’ny neny fa ankizy kely daolo ary koa promotion @ zandriko no akamaroany.

 

Ho lazaiko hoe tsy mitovy tady dokanga angaha?? Tsy fantatro…..

 

 

           Tsy mazoto intsony aho ny hidina any ambanivohitra izao.Tsy manana iray tampo hiarahana. Averiko fa misy iray tampo ihany, saingy manambady aman-janaka ry zareo,dia tsy sahiko ny manakotaba azy ireo Tamin’I Tojo mbola teo anefa dia matetika aho no midina any, indroa isan-kerinandro teo.Ankehitriny kosa, dia mamangy ny iray tampo @ dada sisa, na koa fetin’ny taranaka aho no midina..               

Fa mahalana izany a. Tsindraindray.

 

 

 

VAVAKA

Nampidirin'i tsambaratelo | 19 Nov, 2009

FANGATAHANA FANETRETENA 

Jesoa Malemy Fanahy sy manetry tena ao am-po:

AFAHO KA FONGORY ATO AMIKO:

Ny saina mitsikera sy mitsara

Ny faniriana ho hajaina

Ny faniriana ho hasohasoina sy hoderaina

Ny faniriana hahazo tombo-pitia

Ny faniriana hamiratra sy higagana

Ny faniriana hanjakazaka.

 RY    JESOA      TOMPO,    AOKA    HIANA    IRERY    NO   HO    TOMPON'NY      FOKO     SY          NY FIAINAKO;

HITOMBO      ISAN'   ANDRO     ATO     AMIKO      ANIE      IANAO      ARY     IZAHO  

Amena

FITIAVAN-DRAY NY ZANANY

Nampidirin'i tsambaratelo | 18 Nov, 2009

 

TARATASIN'I DADA 

 

Ny TENY rehetra izay ho hitanao manaraka eto dia marina avokoa.

 

Raha manaiky handray ny Teny voalaza eto ianao dia hanova ny fiainanao tokoa ,satria dia Teny avy ao ampon’Ilay Ray.

 

Tia anao Izy.

 

Ary Izy ihany koa no Ilay Ray izay hiritsika hananana eo amin’ny fiainana.

 

 

Indro àry ny taratasiny ho anao.

 

 

    Ry zanako,

 

 

 

Izaho no mahalala ny fipetrakao sy ny fitsanganao sady mahafantatra ny hevitrao eny lavitra eny. 

 

 

Voadiniko ny toetranao, na mandeha  na mandry;Ary fantatro tsara ny alehanao rehetra. 

 

 

Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa

 

 

Tahaka ny endriko no namoronako anao 

 

 

Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro;ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko

 

 

Ny masoko efa nahita anao na dia fony tsy mbola ary fady aza aho;voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry

 

 

Ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany

 

 

Mahatalanjona ny nanaovanao ahy

 

 

Fa Izaho no nahary ny voanao;namolavola anao tao an-kibon-dreninao

 

 

Izaho no nanankina anao hatrany am-bohoka;Izaho no namoaka anao avy tany an-kibon-dreninao  

 

 

Izaho dia Fitiavana,ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao Amiko,ary Izaho ao aminy

 

 

Endrey!manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika,dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ANDRIAMANITRA

 

 

Sady izany tokoa isika

 

 

Koa raha hianareon na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo,tsy mainka va IzahoIzay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Amiko?

 

 

Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterako Izay any an-danitra.

 

 

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo,dia hevitra hahatonga Fiadanana

 

 

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao.

 

 

 

                                            ANDRIAMANITRA TSITOHA

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Hevitra raha mahasoa.Resaka natoraly

Nampidirin'i tsambaratelo | 7 Nov, 2009

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 Ity misy hevitra mahasoa.Asa raha efa naheno ity resaka ity ianareo fa azo atao tsara ny tantely sy vovona canelle afangaroizay sahaza ny tarehanao (atao pâte),ary dia hosorana@ tarehy mandritra ny 2 herinandro eo.Ny tsaratsara dia entina matory ary maraina vao sasana,kanefa maditidity be io,angamba sorena ilay vady malala .Fa aleo mahavatra @ hariva alohan' ny hatory.

Ho hitanao àry fa hadio ny tarehy raha misy mony.

Efa nanoro hevitra teto ihany aho fa toa tsy nahomby.

Ô RY ALINA Tononkalo

Nampidirin'i tsambaratelo | 23 Okt, 2009

 

 Ô RY ALINA

Ô ry alina mangina

mitondra fisainana

Ho an'ny olo-manan-tsaina

Inona no vita omaly ?

nolalovana ny anio

Hanao ahoana ny ampitso?

Ô ry alina

Ô ry alina mampieritreritra

mampitaintaina ny ho avy

Ô ry alina...

Soa fa mandalo ty ianao

ka tsy handry izay hahamaraina

Toa mandrisika ahy hiezaka

ary hisondrotra hatrany

Fa tsy hitoe-poana

mbola hibanjina ny efa lasa.

                                                         Tsambaratelo ny 23-10-2009

 

 

 

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»