FAHATSIAROVANA NY 01-10-2009

Nampidirin'i tsambaratelo | 6 Okt, 2009

 

                     Ho fahatsiarovana an'i Georges ANDRIAMANANTENA na i RADO

 

ANTSO

Antsoiko ianao mba hahatsiaro ireo malala ireo

Ary hangina iray minitra dia hanonona ny anarany

Saingy ataovy tsy ankiteny ary aza asiana feo

fa izay dia efa ampy hamakianao ny tantarany

                                   RADO

                                  14-05-1995

 

FAHATSIAROVANA NY 01 OKTOBRA 1923

Nampidirin'i tsambaratelo | 6 Okt, 2009

 

Miarahaba anareo tsirairay ny tenako.Miala tsiny aho raha izao indray vao afaka hitafa aminareo,fa somary nisitaka vetivety.

Raha nahatsikaritra ianareo dia nisy Tononkalo nosoratan'i Rado vitsivitsy naveriko nosoratana teto.

Io no tiako hahatongavana manaraka eto.

 

-o--o-o--o-

FALY MIARAHABA AN'I RADO AHO ANKEHITRINY NAHATRATRA NY FAHATSIAROVANA NY TSINGERINTAONY.

*Anarana: ANDRIAMANANTENA

*Fanampin'anarana: Georges

*Teraka tamin'ny: 01 Oktobra 1923

*Ray: ANDRIAMANANTENA Gaston,Mpitandrina (efa maty)

*Reny: RAZAFINDRAFARA (efa maty)

Marina tokoa fa tsy eo intsony izy,nefa inona moa no mahadiso raha mba mahatsiaro azy isika rehetra.

Indrindra fa ho an'ireo taranaka izay navelany:

                   Vady: RAVOLOLONA Edwige

                  Zanaka: 4 vavy,2 lahy

                  Zafikely: 13 mianadahy

                  Zana-jafy: 8 mianadahy

Maro tokoa mantsy ny soa sy ny anatra azo avy tamin'ny sangan'asan'i Rado;

koa isaorana Jesoa Kristy izay nanome antsika ny andro nifaneraserantsika tamin'i Rado tety ambon'ny tany.Misaotra hatrany tamin'ireo tonon-bavaka nosoratany, izay nampionona sy nampahery ny ankohonanay

Mino izahay mpankafy an'i Rado fa mbola hisy hanohy ny sangan'asany avy amin'ireo taranany.

Misaotra tompoko

 

Tsy eto intsony mantsy ianao

Fa lasa any, any ambony any

Dia tsy ho adino velively

Satria ,satria namela teny mamy

 

Ny mpankafy tsy manadino

ary koa tsy hanadino

Fa toa akaikin'ny fo hatrany

Raha vao mamaky irony asa

Dia i Rado no mby ao an-tsaina.

                                                        06-10-2009

                                                    Ai-baliaka

Atolotro ho an'i...

Nampidirin'i tsambaratelo | 4 Sep, 2009

 

Misaotra an'i Rado manokana aho t@ nanoratany ity dia penina ity fa mahakasika ahy manokana mantsy.Ary raha vao vantany mamaky ity soratra ty ilay olona izay,dia fantany avy hatrany ny tiako hambara.Ary nifanaovantsika izy ity ary mino aho fa mbola hitohy izany.E?! ho an'ny malalako izay 'ty a.

TIAVIKO MANGINA

 Tiaviko mangina ianao, nefa tsisy mpahalala

Ary ianao mihintsy aza tsy hahafantatra fa tiako

Tononiko ny anaranao dia ampiako hoe "malala"

Saingy tsy asiako feo fa izany no hafaliako.

 

Ny toerana ihaonantsika?Ao an'eritreritro ao

Tsy sembanin'iza n'iza na izay mpitsongo dia

Ao manarampo ny foko raha manoroka anao

Sady mitantana mora ny hafenoan'ilay fitia

Vao mamaky ity ianao,ka manontany tena hoe:

"Sao izaho kosa ity voasorany eto ity?"

-Tena ianao mihitsy fa za asiana resabe

Satri vao manontany tena dia efa raisiko fa tia.

                                                     Rado

                                                       (Mey 2000)

 

TONONKALO

Nampidirin'i tsambaratelo | 3 Sep, 2009

 

 

ALAHELOVY

 

Alahelovy aho aky rehefa malomaloka andro!

Tsisy antony hoe ahoana fa dia alahelovy fotsiny

Dia angalaro jery kely ao anaty boky any

'Lay sariko nafeninao...Dia mitsera kely monja!

 

Mba tonony aky ny anarako isaky ny mahatsiaro!

Indrindra moa raha misy hafa te hangalatra ny toerako

Aza asiana feo anefa fa tonony am-po mangina 

Hankahery ilay fitia tsy ho folaky ny sedra!

 

Izany mantsy no fanaoko rehefa malahelo anao

Ary satriko ho izany no hifanahafantsika

Iriko mihoatra izany aza hisy hitatitra amiko hoe:

"Nalahelo ahy ianao,efa hateloana izay"

 

RADO

(Mey 1996)

 

 

 

 

 

 

TONONKALO

Nampidirin'i tsambaratelo | 28 Aog, 2009

 Anisan'ny mpankafia ny tononkalo nosoratan'i Rado aho,ka mamelà ahy ianareo haneho ny sangan'asany.Mino aho fa maro ianareo ny manka mamy ny asa sorany.Ny volana oktobra mantsy ny tsingerintaonany ka mba mahatsiaro ny tena dia mba nanoratra ny asany kely.     tsy maninona ve?

 

 

RESAKY NY FO

 

Tsela-jery vitsy monja no nifanomezantsika

Dia efa samy nahatsapa embonembona mifoha

Tsisy resaka na teny, nefa fantatra tsy adika

f'ireny topimaso ireny dia efa resaky ny fo

                                                                                      (18 oktobra 1997)

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»